Actualités

Ankatso Hanamafy ny hetsika ny mpianatra


  • Zoma 20 Janoary 2012

Vokatry ny fitokonana ataon’ny SECES dia miato avokoa ny asa rehetra mifandraika amin’ny fampianarana eny Ankatso afa-tsy ny departemanta fitantanana izay mpampianatra mpanampy no ankamaroany.

 Tsy mipetra-potsiny anefa ireo fikambanan’ny mpianatra ao amin’ny «associations pédagogiques» avy amin’ireo fakiolte sy sekoly ambony fa mitady ny fomba rehetra hiverenan’ny fampianarana. Tapaka nandritra ny fivorian’izy ireo fa hisy ny talata izao ny fihaonambe iraisan’ny fikambanan’ny mpianatra avy amin’ny oniversitem-panjakana eto Antananarivo izay tontosaina eo amin’ny «Cathédrale DEGS» ka hanasana ny SECES. «Hanontaniana ny SECES aminin’io ny fivoaran’ny toe-draharaha ka miankina amin’izay no handraisana fanapahan-kevitra», hoy i Mano Ratovo Maherison, filohan’ny fikambanan’ny mpianatra avy ao amin’ny fakiolten’ny teny aman-tsoratra ary ny mahaolona. Nohamafisiny fa raha tsy mbola misy ny fandraisana andraikitry ny fanjakana dia hihamafy hatrany ny hetsika ataon’ny mpianatra mandra-piverin’ny fampianarana, ny fivoahan’ny valim-panadinana rehetra ary koa ny fitohizan’ny «soutenance». Momba ireo mpianatry ny fakiolten’ny siansa miisa 4 izay hiakatra «conseil de discipline» noho ny fanidiana ny vavahady fidirana ao Ankatso dia nambaran’ireo filohan’ny «associations pédagogiques» fa tsy lojika ny fanapahan-kevitry ny fiadidiana ny oniversite satria tsy izy ireo irery no nanomana ny hetsika fa ny fikambanana rehetra ka samy tokony hosaziana izy rehetra raha misy ny fahadisoana. Ankoatra izay dia tsy nanimba zavatra izy ireo ka tsy misy tokony hanenjehana azy akory, hoy ireto namany hatrany.
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT