Ankarimbelo Ikongo

> Nitrangana hala-bato tamin’ny fifidianana solombavam-bahoaka


  • Zoma 27 Desambra 2013

Saika manerana ny Nosy mihitsy ankehitriny no ahenoana fitarainana noho ny resaka hala-bato sy fikasana hanao hosoka tamin’ny valim-pifidianana farany teo.

Toy izany ny niseho tamina biram-pifidianana roa tany Ankarimbelo Ikongo izay nahitana delegen’ny kandidà saika hanova ny valim-pifidianana voarakitra tao anatin’ny PV, ka nahatonga ny kandidà Razafitsiandraofa Brunelle mangataka ny hanafoanana ny latsa-bato natao tao amin’izy ireo. Fiara 4x4 miloko mena no volazan’ity kandidà ity fa saika nanatanterahana izany hosoka izany ka lasa nirifatra nandositra avy hatrany raha vantany vao nahatsikaritra ireo mpanara-maso azy. Tsy vitan’izany fa mbola nogiazana ary tsy navela natrehan’ny vahoaka ny fanisam-bato tao amin’ity toerana Ankarimbelo ity. Anisan’ireo efa nametraka fitoriana eny anivon’ny CES sy ny CENI-T mikasika ity raharaha ity ny kandidà Razafintsiandraofa Burnelle.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT