Ny alin’ny alarobia lasa teo raha nanao ny asa fisafoana toy ny fanaony andavanandro ny polisy avy ao amin’ny boriborintany fahavalo eny
Analamahitsy dia nahatsikaritra lehilahy roa nihanika tambohon’olona. Teny Ankadindramamy no nitrangan’izany. Vantany vao nahita ny polisy izy roalahy dia rifatra nitsoaka. Raikitra ny fanenjehana ka voasambotra ny iray antsoina hoe : Albert, 27 taona raha tafaporitsaka kosa ny namany iray hafa. Mbola tratra teny aminy ny « Barre à pince » iray sy jiro fanao am-paosy iray. Tamin’ny fanadihadiana natao azy no nahalalana fa nanao lava-drano tao amin’ity trano ity izy ireo ny antoandro ary nikasa ny hiverina hangalatra nony alina. Natolotra ny fampanoavana omaly ny lehilahy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.