Actualités

Ankadilalana Nifandona ny jeneraly Ravalomanana sy Maherison


  • Talata 31 Janoary 2012

Nandritra ny lanonana fifampiarahabana nahatratra ny taona nataon'ny Emmo-Far sy ny mpanao gazety tetsy amin'ny trano filanonan'ny zandary etsy Ankadilalana ny sabotsy teo no nitrangan'ity olana teo amin'ireo jeneraly roa anisan'ny tomponandraikitry ny Emmo-Far ity.

 Ny jeneraly Ravalomanana Richard izay mpitarika ny Emmo-Far etsy andaniny ary ny jeneraly Razafindrazaka Maherison, lehiben'ny Rezimanta Miaramila Voalohany etsy Analakely ankilany. Olana teo amin'ny tsy fahampian'ny fifandraisana no nahatonga ny disadisa. Namaky bantsilana mantsy ny jeneraly Maherison fa tsy nahalala ny hetsiky Emmo-Far tato anatin'ny andro vitsy izay ny tenany. Nanomboka teo ny fifamaliana ka tonga hatramin'ny fifamaliana mihitsy. Lasa nandeha ny jeneraly Maherison taorian’izay ary somary nanao farateny. Niezaka nandamina ny raharaha sady nanelanelana ny jeneraly Rakotondrainivonona Panoel Macaire izay lehiben'ny polisy eo anivon'ny Emmo-Far. Raha somary hazavaina ny toerana misy ireto jeneraly telo ireto dia izy ireo no lehiben'ny zandary, tafika ary ny polisy ato anatin'ny faritanin'Antananarivo.

Titi

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT