Ankadifotsy Antanifotsy Boriborintany faha-III

> Vitan-dRakotomalala Rija ny lalankely nampijaly ny mponina


  • Alakamisy 21 Novambra 2013

Vita ankehitriny ilay lalankely nampijaly ny mponina ao Ankadifotsy Antanifotsy hatramin’izay rehefa tonga tahaka izao ny fotoam-pahavaratra satria dia tena nampanainga zipo ny mpandalo teo ara-bakiteny teo aloha.

Mirefy 100 m eo ho eo ity lalankely ity ka nasiana fantsona mihitsy aloha ao ambany handehanan’ny rano vao norakofana “béton” teo amboniny. Atoa Rakotomalala Rivoniaina Rija no tompomarika tamin’ny fanamboarana ity fotodrafitrasa ity ary nambarany tamin’ny fandalovana teny an-toerana fa  fanohizana ny asa niarahany nanao tamin’ny mponina fony izy filoham-pokontany teny an-toerana izao zavatra natao izao. Tafiditra ao anatin’ny fitaizana ny mpiara-belona ny hetsika tahaka izao, hoy ity kandidà ho solombavambahoaka ao amin’ny Boriborintany faha-III eto an-drenivohitra ity, tahaka ny nitaizana ny tanora sy ny zatovo tao anatin’ireny fifaninanana ara-panatanjahantena notontosaina fahiny tao amin’ny kianja Maitsoririnina ireny izay nandrarana mihitsy izay tonga mijery baolina amin’ny tsy fahazoana mifoka sigara anatin’ny faritry ny kianja sy tsy fahazoana mitondra sy misotro zava-mahamamo koa.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT