Andry Rajoelina

> Any amin’ny hopitaly no nisehoany farany


  • Alakamisy 23 Janoary 2014

Notokanana teny Andohatapenaka omaly alarobia 22 janaory 2014 ny hopitaly manara-penitra, anjaran’ny Faritanin’Antananarivo. Ity no fahenina notokanana tamin’ireo valo naorina nandritra ny tetezamita.

Tonga nitokana izany teny an-toerana ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina, ity farany izay nanao fanambarana mifono politika fa tsy mitady toerana izy fa ny toerana no mitady azy. Na izany aza mety iny teny Andohatapenaka omaly iny no fisehoana imasom-bahoaka farany nataon’i Andry Rajoelina mialoha ny hamindrany fahefana amin’i Hery Rajaonarimampianina, izay voatondro hatao rahampitso zoma eny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha, raha ny sabotsy 25 janoary kosa no hanao fianianana ampahibemaso ho Filoham-pirenena ity farany. Amin’izao moa anefa dia efa mandeha ny dinika momba izay mety ho praiminisitra, izay fantatra fa ny vondrona MAPAR izay nahazo ny solombavambahoaka maro indrindra no hanolotra izany praiminisitra izany. Tazana maro nandritra ity lanonam-pitokanana ity tokoa ireo kandida depiote MAPAR izay efa mety ho lany araka ny vokatra vonjimaika navoakan’ny CENI-T. Tazana teny ireo mambra ny governemanta vitsivitsy. Toy ireo fitokanana hopitaly manara-penitra vita hatramin’izay tetezamita izay anefa dia tsy hita teny Andoahatapenaka mihitsy ny Praiminisitra Beriziky Jean Omer.

Mipetraka ihany ny fanontaniana hoe tena tsy nantsoina sa nantsoina ihany tamin’ity indray mitoraka ity fa tsy tonga ? Nanaitra kosa ny nahitana an’i Patrick Raharimanana izay kandida Filoham-pirenena nisafidy nanohana an’i Hery Rajaonarimampianina rehefa tsy lany tamin’ny fihodinana voalohany. Efa nilaza ny lehilahy fa raha tsy mirotsaka ho praiminisitra i Andry Rajoelina dia vonona izy handray izany toerana maha Praiminisitra izany raha mahazo ny tso-dranon-dRajoelina miaraka amin’ny Mapar, sy ny Filoha Hery Rajaonarimampianina. Olona nasaina avokoa moa no tonga teny, ka misy antony manokana ve ny nahitana an’i Patrick Raharimanana teny, izy rahateo mantsy sady tsy mambra ny governemanta no tsy CT na CST na mpitondra amin’izao tetezamita izao. Sa efa santatry ny handraisany andraikitra ao amin’ny governemanta izay hijoro tsy ho ela ?

 

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT