Andry La Pie

> Hiaraka hihazakazaka amin’ny tarin’ny tanŕna


  • Alakamisy 28 Novambra 2013

Niato kely tamin’ny asa fanadiovana ny tanŕna fanaony hatramin’izay niaraka tamin’ny mponina eny ambany tanŕna ny kandidŕ ho solombavambahoaka ao amin’ny Boriborintany voalohany, Atoa Ravelojaona Andry na La Pie.

Nanatanteraka dinikasa ho fandaminana ny fanombohana ny fampielezan-kevitra teny Manarintsoa Isotry anefa izy sy ireo mpiara-miasa aminy akaiky niaraka tamin’ireo tanora mpanao rugby izay beaziny sy notezainy hatrizay, omaly. Fantatra tamin’izany fa hiaraka hihazakazaka amin’ireto tarin’ny tanàna ireto, manodidina ity Boriborintany misy azy ity ny alahady izao, i Andry La Pie mivady miaraka amin’ireo olon-tsotra hafa. Hiainga eny Ambondrona izy io ka tsy hijanona raha tsy tonga eny amin’ny Complexe Scolaire Ampefiloha. «Hazakazaka firaisankina» no anaran’ity hetsika ity. Mialoha izany dia mbola hisy ny fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana hotanterahina eny amin’ny Kianja Rafalimanana Hery eny Ambodin’Isotry ny zoma tolakandro ho fangataham-pitahiana amin’Andriamanitra sady ho fitsofan-drano ity kandidà ity.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT