Actualités

Andron'ny manamboninahitra Mandrahona ny tsy handray anjara ireo manamboninahitra lefitra


  • Zoma 06 Janoary 2012

Mikoropaka ny fitondrana amin'izao fotoana izao.

 Nivoaka mantsy ny resaka ny omaly fa mandrahona ny tsy handray anjara amin'ny fankalazana ny andron'ny manamboninahitra ny 12 janoary izao ireo manambonianhitra lefitra raha toa ka tsy tanteraka ny fitakian'izy ireo. Fankalazana fanao isan-taona izy ity atao isaky ny 12 janoary ity ary ny fomba mahazatra amin'io dia ny manamboninahitra lefitra no mibaiko ny manamboninahitra. Anisan'ny ireny ny fanamamoana ny manamboninahitra amin'ny fampanaovana azy ireo paompy sy dian-gana sy ny sisa. Misy ihany koa ny hetsika ara-panatajahantena atao mialoha izany. Omaly anefa dia nilaza ireo manamboninahitra lefitra sasany fa tsy handray anjara amin'izany raha tsy tanteraka ny fitakian'izy ireo ny amin'ny fanatsarana ny fari-piainan'ny miaramila, famerenana ny saran'ny hetra alaina amin'ny karaman'ny miaramila ary famotsorana ny gadra politika miaramila izay voalazan'ny “assise militaire” teny Ivato. Raha nokasaina natao ny 13 janoary ny lanonana fifampiarahabana nahatratra ny taona eo amin'ny andrim-panjakana eny Iavoloha dia noho ity tsy filaminana eo anivon'ny Tafika ity dia novana ho ny 11 janoary izany mba hanaovana fampanantenana, indrindra ireo miaramila manamboninahitra lefitra (?) Na izany aza, hialana amin'ny resabe dia notohizana hatramin'ny 14 janoary izany fety izany. Raha tarafina amin'izao fety mandritra ny efatr’andro izao dia azo lazaina fa milomano ao anatin'ny vola tanteraka ny FAT.
Titan

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT