Actualités

Andro iraisam-pirenena ho an’ny zokiolona Tsy nasian’ny FAT vidiny


  • Talata 04 Oktobra 2011

Tao Tsiroanomadidy, renivohitry ny faritra Bongolava no nankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zokiolona ny 01 Oktobra lasa teo.

 “Zokiolona : loharano nipoirana, fototry ny fahendrena” no hevi-dehibe novoizina. Tsy nisy minisitra nanome voninahitra ny hetsika fa ny lehiben’ny Faritra Bongolava, Andry Vorisoa, no nisolotena ny fitondram-panjakana. Efa samy miandry izay fanesorana azy amin’ny toerana angamba ireo mpikambana ao amin’ny governemanta ka tsy miraharaha ireto raiamandreny ireto intsony. Nanasongadina kosa i Andry Vorisoa, lehiben’ny Faritra fa matoa mbola mitohy izao taranaka Malagasy izao dia noho ireo zokiolona izay loharano nipoirana, ka tokony hokarakaraina sy kolokoloina izy ireo.

Manam-pikasana hanangana trano fialamboly ho an’ny zokiolona ao Tsironomandidy moa ny ministeran’ny mponina saingy tsy manana tany hanorenana azy. Nangataka tamin’ny mpitondra ao Bongolava momba izany ny talen’ny fiahiana ny sosialy, Ramahavita Marcel. Fangatahana izay nahazoana ny valiny teo no ho eo satria nanome toky ny hijery akaiky ny momba izay toerana hanorenana trano ho an’ny zokiolona izay ny lehiben’ny Faritra miaraka amin’ny Ben’ny tanàna. Nanamarika ny fotoana koa ny fangatahan’ny ministeran’ny mponina ny tsy tokony hiantsoana intsony hoe Beantitra ireo raiamandreny feno 60 taona no ho miakatra. Nisy moa ny fizarana fanampiana ho an’ireo zokiolona miisa 750 tao an-toerana.

 

Yves 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT