Andro fety

> Mitobaka ny sakafo lany daty, betsaka no manjifa


  • Alatsinainy 30 Desambra 2013

Mifandrobaka ny olona mividy ireny sakafo na entana lany daty na manomboka ho lany daty ireny ao Toliara.

Hita eny rehetra eny izany, na an-tsena, na amidy an-tsisin-dàlana. Ny bisky, vatomamy, fromazy, paty, hena ambifotsy, menaka, sns, no tena ifandrombahan’ny olona satria hono mora vidy na dia tsy ara-pahasalamana aza, mety hiteraka aretina amin’izao andro fety izao. Lalim-paka loatra ny fahantrana isam-baravarana ary ny kibo tsy mba lamosina. Misy mihitsy tranombarotra lehibe tsy maty manota voalaza manaparitaka izany. Hatramin’ny zava-pisotro dia tratran’izany ; eny hatramin’ny fanafody. Misy amin’ireo mpanjifa maimaika no voafitaka. Raha manamarina sy mamerina ny entana nividiany ity farany dia rahom-bava no setrin’izany. Raha nanontaniana ireo mpivarotra nahazoana fitarainana matetika dia nilaza fa entana vao tonga ireo, ka tsy fantatray na lany daty na tsia. Lasa ihany ny saina : ny fanaraha-maso sy fampiharana ny lalàna ataon’ny tompon’andraikitra ve no baranahiny sa goragora loatra ka tsy misy fitsirihana atao amin’ireny dokany ireny ? Ny vahoaka lany vola mihamahantra hatrany no mibaby ny rihitra.

 

E.R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT