Actualités

Andro eran-tany ho an´ny JCI Nomarihina tamin’ny fampitana traikefa


  • Alarobia 14 Desambra 2011

Tsy nanadino ny andro maneran-tany ho an´ny tanora olom-pirenena mandray andraikitra, antony nananganana ny “Jeune Chambre International (JCI)”, ireo tanora mpikambana eo anivon´ny JCI Toamasina.

 Ny 11 desambra 1944 mantsy no nananganana voalohany ny JCI tany Etats-Unis noho ny fahatsapana fa ilaina eo amin´ny fampandrosoana ny firenena sy izao tontolo izao ny tanora, ka firenena valo eran-tany no nanangana izany voalohany. Efa mahazo vahana eto amintsika ihany koa ity fikambanana tanora mpandray andraikitra ara-piarahamonina sy fanampiana ny tanora ity, ka tamin´izao fankalazana ny andro eran-tany ny JCI izao, izay nankalazaina tao Toamasina ny sabotsy 10 desambra teo tao amin´ny efitrano malalaky ny Faritra Atsinanana, dia ny fampianarana ny kolontsainam-pivarotana sy traikefa mikasika ny fandrindran´asa ary fomba fitantanana tsotra orinasa madinika no nampitaina tamin´ireo tanora tonga, izay saika avy amin´ny oniversite miankina sy tsy miankina amin´ny fanjakana ny ankamaroany. Ny banky BFV sy ny Orange Madagascar ary ny Entreprendre à Madagascar no nanao ny fampitana ny tsara ho fantatra rehetra ho an´ireo tanora tonga, nandray anjara goavana koa ireo tanoran´ny JCI Toamasina.

Nisy koa ny fampirantiana natao, ka tranoheva 05 no nandray anjara, nahitana ny tetikasa Ambatovy, ny orange Madagascar, ny Arian Tourism, ny JCI ary ny Entreprendre à Madagascar. Niatrika ny lanonana ny lehiben´ny Faritra Atsinanana Mahavimbina Alain, ny filoha faha-24 ny JCI Rabenjarijaona Angelo, ny senateran’ny JCI Toamasina sady CST ihany koa Me Rasamimaka Mahefalahy ary ireo mpikambana ny JCI Toamasina.
Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT