18 taona katroka aty aorian'ny nitsirian'ny hevitra hanamboatra bisikileta vita tamin'ny hazo (1996) vao tanterak'i Arintsoa Lee Henri mipetraka ao Antsirabe tampon-tanàna ny nofinofiny.
Fony nipetraka tany amin'ny Distrikan'i Fandriana, Faritra Amoron'i Mania iny ny fianakaviany no tonga tao an-tsainy ny haka tahaka an'ireo rambaramba mitovy endrika amin'ny bisikileta hatao amin'ny endrika maoderina kokoa. Ny fahitan-dRanamana ny vorombe Ankoay tany an-toerana koa no mbola nanampiany ny vinavinany izay hatao matanjaka sy mahery tahaka ilay vorona ny zavatra hoforoniny ary hasiany sarina Ankoay mihitsy aza ny lohany. GAOGAO no anarana nomen'i Andrintsoa ny bisikiletany izay feo fanaon'ity vorona ity rehefa hanidina izy. Herintaona sy tapany no naharetan'ny namboaran'i Lee Henri an'i Gaogao voalohany ary kasaina hamidy amin'izay liana 1 400 000 Ariary fa rehefa misy mikaomandy dia ho vitany anatin'ny roa volana ny iray. Hita mandehandeha entin'ny tompony manerana ny tanànan'Antsirabe ity famoronana Malagasy ity ankehitriny ary tena manaitra ny mason'ny vahiny tokoa.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.