Andrin’i Madagasikara Moramanga

> Nanolotra ambioka maimaimpoana tao Atambambe Vodiriana


  • Talata 26 Novambra 2013


Tsy nahatsiaro halaviran-tany sy hasarotan-dalana ireo mpikambana mirahalahy mpandrindra ny fikambanana Andrin’i Magasikarana ao Moramanga omaly, dia Randriamamizafy Ignace sy Rajoharisoa Andriamanantena fa tonga nitafa sy nanao dinidinika ambany tafontrano niaraka tamin’ireo mponina ao an-tanànan’Atambambe Kaominin’i Vodiriana ao amin’ny distrikan’i Moramanga. Araka ny tarigetran’ny fikambanana dia niompana tamin’ny resaka fihariana ara-bary no nitondran’ireto tompon’andraikitra ireto fanazavana nefa tsy nandeha an-tanam-polo izy ireo tamin’izany fa nivimbina ambioka nilanja 100 kg nozaraina maimaimpoana tamin’ireo mponina. Fanatsarana ny voka-bary mba tsy hanafarana vary any ivelany intsony fa mba hanondrana indray kosa no fototra imasoan’ny tarigetran’ny Andrin’i Madagasikara fa izay voky ihany no afaka hisaintsaina zavatra hafa amin’ny fanatsarana ny fiainam-bahoaka.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT