Miavaka tanteraka ankehitriny, etsy amin’ny kianjan’i Magro Behoririka ny fahavononan’ny mpitolona avy any amin’ny Faritra, manomboka tonga amin’ny fitsenana ny filoha Marc Ravalomanana.
Taorian’ny solontenan’i Mahajanga nanao rodobe afak’omaly, dia niakatra lapihazo indray ny solontenan’i Toamasina notarihan’i Mahasahy Chantal, ny avy any Melaky notarihan’Andrianarivo Vonjy ary ny avy any Besalampy notarihan’i Mohamady Sakra. Mbola niraisan’izy ireo feo koa ankoatra io fahavononana fitsenana an’i Dada io ny amin’ny fiarovana azy rehefa tonga eto an-tanindrazana. Raha tsy mandeha roplanina ny filoha Ravalomanana, hoy i Sakra, afaka mandeha sambo dia ao Besalampy no mitontona fa vonona hiaro azy ny vahoaka. Any amin’i Dada ny lakile, hoy ny solontenan’i Melaky.
Hita izao, hoy izy, fa misy ny mpanao politika ho an’ny tanindrazana ary misy ny mpanao politika ho an’ny vola. Mbola nanampy ny avy any Besalampy fa tsy ilaina ny fanitarana ny andrim-panjakana. Mbola henjankenjana noho izany aza ny fanamarihan’ny Rodobe Toamasina nilaza fa “efa halatra be ve ny ao dia mbola fanitarana indray no hoentina ? Tsy azo ekena izany ary raha mbola i Camille Vital no terena ho praiminisitra dia tsy hijanona ao amin’i Magro intsony ny vahoaka.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.