Hankalaza ny andro iraisam-pirenena hoan’ny vehivavy toy ny any amin’ny firenen-drehetra manamarika izany anio 8 martsa ny andriambavilanitra Malagasy. Raha ny fantatra sy heno dia samy hiseho amin’ny maha-izy azy avy izy ireo amin’izany.
CT Rasoanoromalala Horace (ankolafy Ravalomanana)
Tsy miala ary tsy misaraka amin’ny mpitolona eto amin’ny Kianjan’ny Finoana izahay vehivavy mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita ka hiaraka hankalaza ny 8 martsa aminareo andriambavilanitra eto fa tsy hamaly ny fanasana ataon’ny fitondrana FAT miaraka amin’ny governemanta any. Isika tsy miala amin’ny foto-kevitra nijoroana hatramin’izay dia ny fiandrasana ny fiverenan’i Dada an-tanindrazana ary ny fandaniana azy ho filohan’ny Repoblika indray. Hisy hetsika miavaka karakaraintsika eto ka samy hianjaika fanamiana mampiavaka ny Faritana 6 eto Madagasikara ireo vehivavin’ny boriborintany 6 sy ny avy amin’ny manodidina (Atsimondrano, Avaradrano, Andrefan’Iarivo) amin’izany. Hisy fizarana fanomezana manokana hoan’ny mpitolon’ny ara-dalàna 1000 tonga voalohany ao anatin’izany.
SARY : CT Rasoanoromalala Horace
Rtoa FIKISY (vadina miaramila gadra politika)
1 taona sy 8 voplana izao no nahavoatana ny vadiko any am-ponja. Mafy dia mafy izany ary tsy hay ho lazaina intsony ny fahasahiranana sy alahelom-po sy adin-tsaina mahazo anay mianakavy. Tsy vitan’ny vadiko ihany no migadra fa izahay 4 mianaka koa dia migadra ara-tsaina noho ny zavatra tsy nataony akory (marihiko fa tsy teto Antananarivo izy tamin’io zavatra hiampangana azy io). Amin’izao fanamarihana ny andron’ny vehivavy izao dia miangavy ny andriambavilanitra mitovy amiko aho mba hanokana fotoana fohy hisaintsainana kely ny mahazo anay asry hivavaka ny amin’izany koa fa tsy hitotorebika be fahatany amin’ny fahorian’ny sasany sanatria. Mila fitoniana izao fiainantsika izao fa fianakaviana sy olona maro no potiky ny fitiava-tenan’ny sasany sy ny fitiavan-tsezany.
R. HANITRA (Mpiara-mitantanana ny Vehivavy TIM boriborintany faha-5)
Hanamafy ny hetsika eto amin’ny Magro araka ny toromarika azo teo izahay vehivavy TIM ao amin’ny boriborintany faha-5 ary handray anjara feno amin’ny fihetsiketsehana rehetra voalazan’ny mpandrindra teo rahampitso 8 martsa ary mbola hotohizanay amin’ny fiarahana amin’ny Fifar 192 izany amin’ny fambolen-kaza hatao any Imerinkiasinina amin’ny zoma 9 martsa. Kitro hifaharan’ny tolona ny vehivavy ka izahay dia tsy hivadi-belirano amin’izay nifanarahana mihitsy dia ny famerenena ny ara-dalàna eto amin’ny firenena, ny famerenana ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana sy eo amin’ny fitondrana indray hoan’ny soa an’ity Madagasikara ity. 3 taona izay no lasa fa mbola vonona hanohy ny tolona hatramin’ny farany ny vehivavy eto amin’ny Magro.
Rtoa Ratalata Lalaonirina Léa (vadina CT)
Mila fitoniana tanteraka ny andriambavilanitra amin’ny fiatrehana izao fiaianana feno krizy izao. Tsy milamina ny fiainam-pianakaviana raha tsy milamina tanteraka io fiainam-pirenena io. Mahatsiaro ho tena hianjadian’ny mafy amin’izany izahay andriambavilanitra satria ao an-tokantrano dia tsy mahalala afa-tsy i Neny ny ankizy. Vola hividianana an’izatsy na izaroa no mba hiangotiany amin’ny rainy dia izay fa ny renim-pianakaviana hatrany no tangozitiny eo. Toy ny fiainanan’ny renim-pianakaviana rehetra ihany ny anay vadina CT itony ary vao mainka betsaka sy mitomba aza ny andraikitra atao satria izao olona rehetra sahirankirana izao dia miantsampy aty aminay avokoa fa hoe afaka manavotra. Ny fandraisana fivoriana sy fihaonana samihafa manginy fotsiny na ao an-trano na any ivelany. Hijanona ao amin’ny Lapan’i Tsimbazaza izahay amin’ny fanamarihana ny 8 martsa hiaraka amin’ireo vehivavy miasa ao amin’ny fikarakarana ity toeram-pivorian’ny parlemanta ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.