Andranovondronina – Antsiranana II

> Olona 5 maty nihinana soka-dranomasina


  • Alarobia 20 Novambra 2013

Nitrangana fanapoizinana ara-tsakafo vokatry ny fihinanana hazandranomasina tany ambanivohitry ny Kaominina Andranovondronina, Distrikan’Antsiranana II.

Nisy fano na soka-dranomasina hitan’ny olona ny alatsinainy teo, ka dia nifampizarana natao laoka ary samy nihinana ny tao an-tanàna. Omaly talata no nitranga ny soratraretina, izay saika tsy mahatsiaro tena ny ankamaroany. Nahatratra 35 ireo voatery nentina tao amin’ny hopitaliben’Antsiranana io omaly io. Namoy ny ainy ny dimy tamin’ireo, mety mbola hiova io tarehimarika io satria maro no mbola tena ahiana ny fahasalamany ary arahi-maso ao amin’ny hopitaly. Tato anatin’ny herinandro izany izao dia ity no tranga faharoa taorian’ny tany Fenoarivo Atsinanana namoizana ain’olona vokatry ny fihinanana hazandranomasina. Marina fa misy ny karazana hazandranomasina tsy fihinana fa misy poizina rehefa vanimpotoana mafana toy izao saingy mampieritreritra ihany izao zava-mitranga misesy izao, ka mahatonga ny ahiahy hoe sao mba ny ranomasina malagasy mihitsy no efa voapoizina ?

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison FĂ©lix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT