Trano lehibe misy rihana roa, izay mbola eo am-panamboarana no nirodana tampoka tetsy Ambohibao Andranoro omaly tolakandro tokony ho tamin’ny 2ora sy sasany.
Nisy zavatra nipoaka mafy be fotsiny raha ny fitantaran’ireo mpiasa niasa tao. Enina no voatsindrin’ny valindrihana tao amin’ny rihana voalohany, izay vita amin’ny simenitra milanja an-taonina mihitsy nefa dia noho ny fitahian’Andriamanitra azy ireo dia tsy nisy ny aina nafoy tamin’izany fa avotra soa aman-tsara izy eni-mianaka ireo. Efa tamin’ny fito ora sy sasany hariva tany vao tafavoaka tao anaty korontana ny olona farany. Raha nantsoin’ny mponina sy ny zandary teny an-toerana moa ny mpamonjy voinan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra dia nilaza fa raha miantoka solika ireo niantso azy dia ho tonga izy ireo ka 90.000 Ariary no nilain’izy ireo. Rehefa nanaiky handoa ny vola anefa ireo tsara sitrapo teo amin’ny manodidina dia nilaza indray ireto farany fa tsy andraikitr’izy ireo intsony iny faritr’Ambohibao iny. Ny zandary teo ambohibao no nanome fiara sy nanampy ireo mponina tamin’ny fanavotana ireo tra-doza ireo.
Nofy R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.