Jiolahy no notifirina, vehivavy mitondra vohoka sendra nandalo no niantefan’ny bala. Ireo nenjehina tafaporitsaka.
Mirongatra ny asan-jiolahy eny Andranomanalina Isotry. Ny alahady teo tokony ho tamin’ny fito ora hariva, dia nisy jiolahy nifanenjehan’ny polisy. Niditra elakela-trano izy ireo. Voatery nitifitra ny mpitandro ny filaminana nampijanona ireo jiolahy. Olona sendra nandalo, vehivavy 27 taona izay mitondra vohoka efa ho teraka, anefa no niantefan’ny bala teo amin’ny ranjony. Nentina avy hatrany any amin’ny hopitaly ilay vehivavy noho ny ratra nahazo azy, ireo jiolahy kosa tsy tratra.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.