Andranomadio Toamasina

> Nisy namaky ny tranon’ny talen’ny Orange


  • Alakamisy 05 Desambra 2013


Nidiran’ny jiolahy sy novakian’izy ireo ny tranon’ny Talen’ny Orange Madagascar Toamasina. Ny alarobia 4 desambra tokony ho tamin’ny 02 ora maraina no nitrangan’ny fandrobana, araka ny fanazavan’ny mpitandro ny filaminana. Tsy nisy naheno ny fidiran’ireo jiolahy tao an-trano fa efa tafiditra izy ireo vao taitra ny rehetra. Very tamin’izany ny solosaina avo lenta miisa roa, finday avo lenta iray, “table mixer” sy ny maro hafa. Lasan’ireto jiolahy koa ny antontan-taratasy maro toy ny taratasin-tsolika, pasipaoro an’ity talen’ny Orange Toamasina ity. Eo am-pelatanan’ny borigadin’ny Zandarimariam-pirenena ny raharaha.

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT