Anisan’ny zavatra tapaka tamin’ny filankevitry ny minisitra ny alarobia lasa teo ny fandefasana tolo-bidy iraisam-pirenena ho an’ireo tahirina andramena nogiazan’ny FAT.
Raha tolo-bidy ny resaka ambony latabatra, eny an-kianja kosa dia efa vonona amin’ny fandefasana ireo hazo sarobidy. Araka ny vaovao dia andramena 2500 taonina eo ho eo no hiondrana an-tsokosoko ato ho ato. Efa any amin’ny manodidina an’i Toamasina ireo hazo ireo, araka ny vaovao ihany fa miandry ny ‘top’ handefasana azy ireo.
Hatreto aloha, tsy mbola mazava ny toerana hiondranan’ireto hazo voaangona tamin’ireo voalaza fa tahiry. Fa raha hiverenana ny momba ny resaka tolo-bidy dia tsy eken’ireo parlemantera sasany toa an’i Voninahitsy Jean Eugène sy Zakahely Boniface, mpikambana eo anivon’ny vondrona Les AS izany fanapaha-kevitry ny filohan’ny FAT izany. Araka ny fanazavana dia tsy manan-jo hamarotra ireo hazo sarobidy ireo i Andry Rajoelina satria tsy tompony sady tsy tonga teo amin’io toerana io tamin’ny alalan’ny fifidianana koa ny tenany.
Nangonin’i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.