Andramasina

> Nisy naka mialoha ny voka-pifidianana


  • Talata 24 Desambra 2013


Mampiahiahy ! Velon-taraina ireo mpitatitra nantsoin’ny mpikarakara fifidianana ka nanaovany fifanarahana manokana mba hitatitra ny voka-pifidianana miainga avy eny anivon’ny renivohitry ny Distrika ary manatitra azy hatreny anivon’ny CENI-T. Efa hatramin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana tamin’ny 25 oktobra 2013 io. Fiara 4x4 no ampiasaina ary mitety Distrika maromaro. Akory anefa ny hagagan’ireo mpitatitra ireo tamin’ity fihodinana faharoa niaraka tamin’ny fifidianana depiote farany teo ity fa dia nisy naka mialohan’ny fotoana nahatongavan’izy ireo teny anivon’ny Distrika  hatrany ny voka-pifidianana tokony halain’izy ireo, toy ny nitranga tany Andramasina ny sabotsy 21 desambra teo. Tonga tamin’ny maraina tany ny fiara haka voka-pifidianana, nambaran’ny tany an-toerana anefa fa efa nisy naka mialoha indray ny vokatra. Niveri-maina ary mitaraina ho tsy  voaloa karama izy ireo ankehitriny.

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT