Actualités

Andrainjato Fianarantsoa Tapaka ny tetezana, nifampitazana ny mpianatra sy ny Emmo-Reg


  • Zoma 03 Febroary 2012

Tany amin’ireo mpianatry ny oniversiten’i Fianarantsoa avy hatrany no nahiahian’ny maro raha vao nahita ny lavaka be teo ambava-tetezana eo Antanifotsy, ka nitarika ny fahatapahan’ny lalana, mihazo an’Andrainjato mipaka any Mahasoabe any.

 Nisy nihevitra fa dia ireo mpianatra nanao fihetsiketsehana hatramin’ny fiandohan’ny herinandro mitaky ny hamoahana ny valim-panadinana fihodinana voalohany sy ny vatsim-pianarana no nandrava ny lalana. Nivoaka ny faritry ny oniversite ary tonga hatreo amin’io tetezazana io rahateo izy ireo ny talata 31 janoary lasa teo. Rehefa nozohina anefa dia ny ranontrambo vokatry ny oram-baratra ny alin’ny alarobia teo no nikaoka ny tao ambany tetezana ka nitarika ny lavaka be, tsy ahafahan’ny fiara miditra ny tetezana. Nangina ny hetsiky ny mpianatra omaly. Tonga teny ihany saingy tavela teny ampitan’ny tetezana eo Antanifotsy simba io anefa ny Emmo-reg.
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT