Actualités

Andoharanofotsy CT voaantso eny amin'ny zandary


  • Alakamisy 22 Desambra 2011

Ny sabotsy teo tokony ho tamin'ny 7 ora hariva no nandona lehilahy iray ny fiaran'ity mpikambana ao amin'ny Kongresin'ny tetezamita (CT) ity teny Andoharanofotsy.

 Taorian'ilay loza anefa dia nitsoaka ilay fiara. Nosakanan'ny Fokonolona vao nijanona. Noteren'ny olona hiverina haka ilay lehilahy voadona. Niverina ilay fiara naka ilay lehilahy ary handeha hitondra azy eny amin'ny hopitaly. Tsy lasa lavitra anefa dia nanao tampody fohy indray ary nikasa ny hanary ilay lehilahy izay tsy nahatsiaro tena efa tao anatin'ilay fiara. Tratry ny zandary indray anefa ka tsy maintsy nanohy ny diany ihany. Rehefa tonga teny amin'ny hopitaly indray dia nolazain'ireo mpanatitra fa tsy mahatsiaro tena noho ny toaka ilay lehilahy. Raha ny filazan'ireo fianakavian'ny maty aza dia ireo olona tao anaty fiara ireo ihany no nandraraka toaka teo amin'ilay lehilahy maty.

Tamin'io fotoana io anefa efa naratra anaty ny lohan'ilay lehilahy ary nisy pempo mihitsy. Ora vitsy taorian'izay dia namoy ny ainy ilay lehilahy. Nantsoina teny amin'ny tobin'ny zandary teny Andoharanofotsy ilay Ct natao famotorana. Efa-dahy izy ireo no tao anatin'ilay fiara tamin'io fotoana nitrangan'ny loza io.

Nirina

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT