Analamahitsy tanŕna

> Nirefotra ny basy, mpivarotra telo voaroba


  • Alarobia 22 Janoary 2014

Manjakazaka ny jiolahy ary tsy matahotra mpitandro ny filaminana intsony raha ny fahitana azy.

Teny Analamahitsy tanàna izao dia jiolahy efa-dahy, tsy misaron-tava no nampihorohoro sy nandroba amin’ny andro vao amin’ny enina ora sy sasany hariva, fotoana mbola maha be mpandeha fiara mifamoivoy eny amin’ny arabe. Toeram-pivarotana miisa telo, ka “épicerie” ny roa ary mpamongady ny iray no nasesin’izy ireo norobaina, ka nahazoan’izy ireo vola, izay tsy mbola fantatra mazava ny fitambarany. In-droa nanapoaka basy ireo jiolahy nanaparitahana ny olona nitangorongorona sy nampihorohoroana. Nisy mpamily taxi sendra an-dry zalahy ihany koa, noteren’izy ireo hanome vola tany aminy saingy tsy nahazo. Tsy nisy ny aina nafoy fa niaina tao anaty horohoro ny mponina. Nidina an-tongotra, tsy taitra nihazo an’Andranobevava izy ireo taorian’ny fandrobana. Araka ny mahazatra dia efa vita ny “opération” vao tonga ny polisy, izay tsy lavitra fa eo Antsonjombe ny Kaomisarian’ny Boriborintany faha-8.

Nofy R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT