Actualités

Analakely - Soarano Mpanendaka efa-dahy saron’ny mpitandro ny filaminana


  • Zoma 24 Jona 2016

Maro ny fitarainana voarain’ny polisy avy ao amin’ny boriborintany Voalohany etsy Analakely amin’izao ankatoky ny fetim-pirenena izao.

 Lohalaharana amin’izany ny fanendahana sy harom-paosy izay tena mahazo vahana tokoa, indrindra fa amin’ny hariva. Nandray ny andraikiny avy hatrany ny mpitandro ny fahalemana ka nandefa polisy manao fanamiana sivily teny an-toerana. Vokany, efa-dahy efa tena ikoizana amin’ny fanendahana sy harom-paosy no voasambotra teo am-panaovana ny asa ratsiny teny Analakely sy Soarano  ny 21 sy ny  22 jona lasa teo. Tamin’ny fanadihadiana natao azy ireo no nahalalana fa efa ela ry zalahy no nanao izao asa ratsy izao ary efa nigadra matetika teny Antanimora. Nilaza ihany koa izy ireo fa amin’izao mahabetsaka ny mpivezivezy eny Analakely izao no tena fanararaotany manendaka sy mangarom-paosy. Natolotra ny Fampanoavana omaly Alakamisy izy ireo.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • RAISSA RAZAIVOLA
  • Talata 03 Novambra 2026

Tazonina eny Fiadanana

  • 160 taona
  • Talata 03 Novambra 2026

nisian’ny gazety malagasy

  • Voasambotra noho
  • Talata 03 Novambra 2026

ny afera Kolonely Patrick

  • Diplaomasia,
  • Talata 03 Novambra 2026

fambolena, VISA,...

  • TSARAHONENANA
  • Talata 03 Novambra 2026

BEFANDRIANA

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

Hijery ny tohiny
FTT