Actualités

Analakely Lasa “bar” ny fiaram-panjakana


  • Alarobia 14 Desambra 2011

Izay no fahitana ireto fiara marika Toyota roa tazana teny Analakely halina. Fiara 4x4 ny iray, irony Camry irony ny faharoa.

 Fiara saika nampiasaina handraisana ny fihaonana antampon’ny Vondrona Afrikanina andiany faha-13 tokony ho natao teto Antananarivo ny taona 2009, saingy tsy tanteraka ka dia eny am-pelatanan’ny FAT amin’izao fotoana. Manoatra noho ny “bar” ny fahitana ireto fiaram-panjakana ireto teny Analakely. Mandeha ny zava-pisotro misy alikaola, ny vehivavy mpampanofa vatana amin’io manginy fotsiny. Be galona koa amin’io no tao anatiny, ka voasarika ireo mpila vola afaka haba. Betsaka ireo sampandraharaham-panjakana mitaraina ho tsy ampy fitaovana, toy ny fiara mba hamitana ny asa, ireto anefa toa ampiasaina amin-javatra hafa. Sa efa izay tokoa ilay fanovana ?

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT