Hampivorilanona ny mponin’Antananarivo sy ny manodidina indray etsy Analakely anio sabotsy 25 jona 2016
. Hetsika lehibe no hatolotry ry zareo eo anivon’ny kaominina renivohitra Antananarivo miaraka amin’ny Orange Madagascar satria dia hisy ny hetsika sy fanentanana isan-karazany izay hitranga eny an-toerana ho amin’izay anio izay. Hanomboka amin’ny 9 ora maraina ny fotoana ary dia marolafy ireo zavatra ho hita eny an-toerana. Ao anatin’izany ny fampisehoana hiarahana amina mpanakanto maro samihafa fa eo ihany koa ny hetsika ara-panatanjahantena toy ny lalao baolina lavalava ambonin’ny fasika sy ny fampisehoana irony fanatanjahantena mahery vaika izay fantatra amin’ny fiantsoana mahazatra hoe “sport extreme” irony. Ny tolakandro kosa dia hisy ny fampisehoana iarahana amin’ny tarika vilon’androy sy ny famaranana ny fifaninanana Slam miaraka amin’ny famaranana ny fifaninanana mozika an-tanàn-dehibe. Izao hetsika izao moa dia ao anatin’ny fankalazana ny fetim-pirenena hatrany ary nohamafisin’ny teo anivon’ny kaominin’Antananarivo Renivohitra fa halalaka ho an’ny mpandeha ny arabe.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.