Actualités

Anakavy Amin-dreny Mandrahona hidina an-dalambe ao Manakara


  • Alatsinainy 05 Martsa 2012

Hirotsaka an-dalambe ny Anakavy Amin-dReny raha mbola ny PDS amin’izao fotoana izao no avela hitantana ny Kaominina Manakara.

 Nanamafy mantsy ireo Anakavy Amin-dReny ao Manakara izay tonga maro tao amin’ny Sidi Hotel nifampitafa tamin’ireo iraky ny fitondram-panjakana mikasika ny fasimainty fa ny fanoherana ny fasimainty no nahatongavan’izy ireo marobe tamin’ireny fotoana ireny fa tsy ny fanohanana ny PDS Sileny Alban velively. Hidina an-dalambe izahay raha toa ka mbola io olona io ihany no tazonin’ny fanjakana eo. Rtoa Josiane sy Sylvie izay mpitarika ny Anakavy Amin-dReny ao Manakara dia vonona ny amin’izay hetsika izay hitarika ny Anakavy Amin-dReny namany izay mahatsapa fa lalaovin’ny tompon’andraikitra mpitondra ny raharaha ka na hita mazava izao aza ny mahazo rariny sy ny marina eo anatrehan’ny lalàna dia hodian-tsy hita izany, ka mba ho fanehoana amin’ireo mpitondra fa samihafa dia samihafa ny fanoherana ny fitrandrahana fasimainty sy ny resaka PDS-n’i Manakara.

Nangonini Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT