Actualités

Ampitatafika Nafana ny fankalazana ny 26 jona


  • Alatsinainy 27 Jona 2016

Betsaka ireo olona tsy mba afaka niakatra teny Anosy nijery afomanga ny sabotsy hariva 25 jona teo noho ny resaka fandriampahalemana.

 

 Olana  ihany koa ny fitaterana noho ny fitohanan’ny fifamoivoizana tetsy sy teroa. Na izany aza nahazo tombony manokana ny mponina teny amin’ny Faritra Atsimondrano. Teny Ampitatafika ihany mantsy dia vita ny fijerena afomanga izay nosantarin’ny fampisehoana goavam-be niarahana tamin’ny tarika Njakatiana. Ny kaominina Ampitatafika tarihin’ny Ben’ny tanàna Rado Ramparaoelina no nikarakara izany nentina nanomezana fahafaham-po ny mponina. Nisy ihany koa nandritra izany ny fanolorana môtô ho an’ny zandarimariam-pirenena ao Ampitatafika ho fanatsarana ny fitandroana ny fandriampahalemana. Ny fizarana loka ho an’ireo mpanao fanatanjahantena mendrika indrindra nokarakarain’ny kaominina koa ny fampilalaovana ny kilonga madinika tamin’ny alalan’ny fanaovana harendrina. Fotoam-pivavahana nentina nisaorana an’Andriamanitra moa no nisantarana ny fotoana izay marihina fa hetsika efa fanaon’ny kaominina isan-taona.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • RAISSA RAZAIVOLA
  • Talata 03 Novambra 2026

Tazonina eny Fiadanana

  • 160 taona
  • Talata 03 Novambra 2026

nisian’ny gazety malagasy

  • Voasambotra noho
  • Talata 03 Novambra 2026

ny afera Kolonely Patrick

  • Diplaomasia,
  • Talata 03 Novambra 2026

fambolena, VISA,...

  • TSARAHONENANA
  • Talata 03 Novambra 2026

BEFANDRIANA

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

Hijery ny tohiny
FTT