Tonga nila vonjy teny amin’ny biraon’ny HAFARI (mpiaro ny zon’ny voatsindry hazo lena) teny Anosizato omaly ny solontenan’ireo olona tra-boina vokatry ny fanjerana ny tranon’izy ireo teny Ampitatafika Avara-tetezana.
Nambaran-dRtoa Razanamasoa Herline, iray amin’ireo renim-pianakaviana nanana ny trano nazera, fa efa 10 taona no nipetrahan-dry zareo teo amin’ny toerana (tanim-panjakana) ary nahazo alalana ara-dalàna tamin’ny kaominina ry zareo hanorina trano birika tamin’izany nefa dia nazare nanomboka tamin’ny 2010 ny ampahan’ny tranon’izy ireo (izay somary niato kely reha mbola teo ny ministra Nadine Ramaroson, fa raha vao maty ity farany dia izao narodana tanteraka izao ny tranon’izy ireo. Ny raharaha fitoriana anefa mbola eny amin’ny tribonaly) noho ny tombontsoan’olon-tokana..
Fianakaviana 25 ahitana olona 400 araka izany no voatery nisitrisitrika any amin’ny havany any noho ireo trano rava ireo. Nampiaka-peo ny avy ao amin’ny HAFARI tarihan-dRafanomezantsoa Jean Nirina fa tokony mba ny tombontsoam-bahoaka no harovan’ny Ben’ny tanànan’Ampitatafika fa tsy ny an’ny olon-tokana. Izy ireo moa eo amin’izay fiarovana ny zon’olombelona izay dia nanipy teny hentitra omaly fa tokony haka ny hevitry ny fianakavian’Itompokovavy Nadine Ramaroson ny praministra amin’ny izay hasolo azy ka hitohizan’ny asa nahasoa vahoaka efa natombony. (Hihetsika izahay raha tsy mifanaraka amin’ny zava-misy hatrizay ny ministra voatondro eo, hoy izy ireo). Nohamafisin’ny Talem-paritry ny mponina sy ny raharaha sosialim-bahoaka, Atoa Rakotonirina Angelot izay ary nampiany aza fa tokony hifampidinika amin’ny rehetra ny Ben’ny tanànan’Ampitatafika hitadiavana vahaolana amin’ity raharaha ity fa tsy andraikiny ny resaka “remblayage” nahazon’ny kaominina hetra mitentina 1 500 000 ariary tami’ny 31 aogositra 2011 Midina an-tsehatra hatrany izahay ao amin’ny ministera, hoy izy, na dia somary sahirana aza rehefa tsy misy reny mpiahy, rehefa misy olana ara-tany hitarainan’ny vahoaka, ka miantso ny tompon’andraikitra hiara-amaha ny olana avy eo.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.