Ampihiaky-Miandrivazo

> Miaramila nitifitra mpivarotra, matin’ny fitsaram-bahoaka


  • Zoma 03 Janoary 2014

Efa tsy hita intsony ny maha mpitandro filaminana ny Miaramila sasany amin'izao fotoana fa toa misy manararao-pahefana tsotra izao. Tranga iray nampalahelo no niseho tao amin'ny Fokontany Ampihiaky, Kaominina Anosimena Distrikan'i Miandrivazo ny andron'ny Taom-baovao 01 janoary 2014, tokony ho tamin'ny 2 ora tolakandro.

Raha ny fanazavana azo tamin'ny niharam-boina izay mitsabo tena ao Antsirabe noho ny ratra vokatry ny tifitra tamin’ny basy kalaky nahazo azy dia tonga tao amin'izy ireo ny miaramila roalahy avy amin'ny DAS (Détachement Autonome de Sécurité) ao Anosimena tokony ho tamin'ny roa tolakandro io ka nikaomandy labiera enina tavoahangy. Rehefa lany izany dia nangataka fanampiny indray izy ireo, efa lany anefa ny labiera tao amin-dry zareo. Nangataka vola indray ireo miaramila ary nomen'ilay mpivarotra vola 150.000 Ariary. Tsy nanaiky ilay miaramila iray ka nandrahona tamin'ny basy kalaky teny an-tanany ka niteny fa : "tsy ampy ity fa ampio". Nilaza ilay Ramatoa mpivarotra fa ireny ihany no misy. Efa mamomamo tany an-toeran-kafa moa ilay miaramila iray io, ilay namany kosa tsy mbola tao tsara. Nivoaka rangahy niresaka tamin'ilay tsy mbola mamo mba haka ny basy eny an-tanany saingy nandritra izay dia nirefotra ny basy tao an-trano ary niantefa tany amin’ilay ramatoa mpivarotra. Nitolefika avy hatrany ilay ramatoa, voa teo amin'ny takibany ary nivoaka tany amin'ny lamosiny ny bala. Nikoropaka avy hatrany ilay miaramila namany ka naka ny basy sy ny vola tany amin'ilay iray dia nitsoaka tsy hita hatramin'izao.

Taitra moa ny mponina ka nivoaka avokoa ary dia matin'ny fitsaram-bahoaka ilay miaramila nitifitra. Nandefa andiana mpitandro filaminana ny tao Miandrivazo nandamina ny resaka. Voalaza fa ny lehiben'ny DAS sy ny lehiben'ny Distrika mihitsy no nirotsaka an-tsehatra naka ny razan'ilay miaramila sy nitondra azy ao Miandrivazo. Ilay ramatoa izay hita fa tena voa mafy sy ny zaodahiny izay nipitihan'ny bala kosa dia tsaboina ao amin'ny Hopitaly Andranomadio amin'izao fotoana. Fantatra moa fa ny andron'ny Krismasy no efa nangataka vola sy labiera tao amin'ity mpivarotra ity ireto miaramila ireto dia izao niverina izao indray. Nohamafisin'ireo havan'ny niharam-boina fa efa fanaon'ireo miaramila ny manararao-pahefana toy izao any ambanivohitra any, indrindra ireo lavitry ny renivohitra.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison FĂ©lix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT