Ampasimbe Manantsatrana

> “Requin” nankarary vahoaka, vehivavy iray no maty


  • Talata 12 Novambra 2013

Zava-doza no nahazo ireto Fokonolona tao amin’ny Fokontany Mahasoa, Kaominina Ampasimbe Manantsatrana, Distrikan’i Fenoarivo Atsinanana ny alahady teo.

Mpanarato nahazo “requin” milanja 100 kg mahery namidy 2.000 Ariary eran’ny tanàna no nahatonga ny loza. Araka ny fanazavana azo dia saika nividy ity hazandrano ity avokoa ny ankamaroan’ireo mponina tao amin’ity Fokontany Mahasoa ity, noho ny fahamorany sy ny fankafizan’ny olona any an-toerana ny hazandrano goavana tahaka ireny noho ny tsirony. Vokatry ny poizina nentin’ity “requin” ity dia tapitra narary avokoa ny olona iray tanàna ary nampidirina hopitaly tao Fenoarivo Atsinanana. Ny alahady tolakandro dia efa olona niisa 38 no narary, niampy izany ary efa mananika ny 50 kosa omaly alatsinainy maraina, izay mbola mety hiampy. Tamin’ny fotoana nanoratana ny vaovao aloha dia vehivavy iray no fantatra fa maty. Ny fitrangany araka ny fanazavan’ireo mpitsabo dia misy toy ireny mamo avy nisotro toaka ireny, ao ireo very saina ka tsy mahafehy ny tenany, ao kosa ireo mangovitra toy ny voan’ny tazo, ary ao ireo malemy tsy mahatsiaro tena mihitsy. Manao izay ho afany amin’ny fitsaboana ny mpitsabo, saingy ny fanafody sy ny fandriana ary ny efitrano andraisana ireo marary no tsy maharaka, ka misy ireo marary no eny an-davarangan’ny hopitaly sy ny lalantsara no apetraka. Nilaza ny kolonely Rakotobe Willy, lehiben’ny vondrompileovan’ny zandary Atsinanana, fa misy ampahany amin’ity “requin” tao Mahasoa ity no lasa namidy amin’ny tsena tao Toamasina tampon-tanàna ka nisy ny fisavana ny tsenan’ny trondro tao Toamasina omaly nitadiavana ity hazandrano mampidi-doza ity. Raha ny omaly anefa aloha dia tsy mbola nisy ny narary tao Toamasina I.

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT