Ambositra

> Kandida depiote iray nosamborina teo ampanisana vato


  • Talata 24 Desambra 2013

Nitrangana olana samihafa tao Ambositra nandritra ny fanisàna ny voka-pifidianana filoham-pirenena ny zoma 20 desambra lasa teo.

Tao amin’ny birao fandatsaham-bato iray tao Antamponivinany nifidianan’ireo mpifidy avy ao amin’ny Fokontany Antsinananivinany dia nisy kandida solombavambahoaka iray tsy nahavoafehy ny fihetsem-pony ka niakatra latabatra sy nahavita nandrovitra vato iray izay rovitra ny zorony sy efa nisy marika mialoha (bulletin pré-coché) ka niteraka resabe tao anaty birao fandatsaham-bato. Teo amin’ny faritra nisy ny kandida Hery Rajaonarimampianina no nisy io marika io ka tsy nanaiky ny maha-manankery io vato io ilay kandida solombavambahoaka. Norovitin’ity farany teo imason’ireo mpanatrika ny fanisàm-bato ny vato iray ka niantso mpitandro ny filaminana ny tompon’andraikitra tao ka nisambotra ilay kandida avy hatrany. Natao famotorana hatramin’ny sabotsy 21 desambra teo ity kandida ity ka tsy navoakan’ny zandary raha tsy ny alahady hariva teo. Ankoatra izay dia nisy olana niseho sy nampisahotaka ny mpanatrika ny fanisàm-bato koa tao amin’ny birao fandatsaham-bato tao Ambohimiadana Ambositra. Nihoatra tamin’ny isan’ny mpifidy nandatsa-bato indray ny vato azon’ny kandida filoham-pirenena voaisa tao ka niteraka sakoroka. Nilamina ihany ilay olana rehefa tonga ireo solon-tenan’ny CED, rantsamangaikan’ny CENI-T ao Ambositra, ny alin’iny 20 desambra iny.

 

 

Rado

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT