Actualités

Ambohimangakely Asio «pont Bailey» fa aza jerem-potsiny !


  • Alatsinainy 20 Febroary 2012

Manomboka mampiaka-peo ny mponina eny Ambohimangakely eny amin’ny fitarazohan’ny asa fanarenana ny tetezana izay nihotsaka vokatry ny ranobe nentin’ny rivodoza Giovanna farany teo.

 Voatery mihodina any Ankadindratombo dia mahazo an’ny By-pass na mankany Manankavaly ny fiara, vokatr’io fahatapahana io. Raha tapaka ny tetezana teny Ambohimanambola dia tsy nisy 48ora akory, tamin’ny andron’i Dada, dia voatsangana ny tetezam-by namerenana tamin’ny laoniny ny fifamoivoizana, ity eo Ambohimangakely ity anefa dia sady be mpampiasa no lalam-pirenena faha-2 rahateo nefa toa jerem-potsiny, hoy ny fanakianan’ny mpampiasa lalana amin’iny faritra iny. Asio «pont Bailey» fa sahirana izahay, hoy ny antsoantso avy eny an-toerana. Raisin’izy ireo ho fanesoana ny fihazakazahan’ny mpitrondra mitokana tetezana any Mahajamba, nefa ny tetezana, eto ambany maso, izay be mampiasa tokoa toa jerem-potsiny.
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT