Actualités

Ambohimamory Tratra ilay tovolahy mpamaky fiara


  • Zoma 08 Jolay 2016

Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny paositry ny polisy Loharanombato tao Ambohimamory ny 6 jolay 2016 lasa teo, tokony ho tamin’ny 10 ora maraina, ny tovolahy iray mpamaky fiara.

 

Tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny ity lehilahy ity.  26 taona  izy. Andry no anarany raha  tsy fantatra mazava kosa ny toerana ipetrahany. Mbola nahitana ireo kojakoja fanolo amin’ny fiara tao anaty entany, miampy ireo fitaovam-piasana momba ny fiara maromaro. Tamin’ny fanadihadihana natao taminy dia niaiky ny helony izy. Nilaza izy fa  nangalatra ary nilaza fa vao tera-bao ny vadiny ka izay no nahatonga azy nangalatra ireo kojakoja ireo raha foto-pivelomany kosa ny mivarotra sambos izay efa tsy maharaka intsony. Eny amin’ny faritra Ampitatafika sy Avarabohitra no toerana fanaovany halatra amin’ny fiara. Natolotra ny fampanoavana omaly ny lehilahy.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • RAISSA RAZAIVOLA
  • Talata 03 Novambra 2026

Tazonina eny Fiadanana

  • 160 taona
  • Talata 03 Novambra 2026

nisian’ny gazety malagasy

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

Hijery ny tohiny
FTT