Actualités

Ambohijatovo Nirehitra ny Jirama


  • Alarobia 14 Martsa 2012


 Nahitana firehetana tao amin’ny foiben’ny Jirama tetsy Ambohijatovo ambony omaly talata tokony ho tamin’ny iray ora sy sasany tolakandro. Araka ny tatitra tsy ofisialy dia irony fanapahana herinaratra na disjoncteur irony no nipoaka noho ny fahanterany. May vokatr’izany ny valindrihana tao amin’ny efitra iray. Tonga ara-potoana ny mpamojy voina ka nalaky voafehy ny afo. Nanamarika ny tomponandraikitra fa tsy misy fiantraikany amin’ny jiron’ny mpanjifa ny fahavoazana satria mahaleo tena ny tariby mitondra ny herinaratry ny Jirama. Marihina fa tsy azo nidirana tao ary nalefa nody ny mpiasa hisorohana ny fahavoazana. Tsy nisy ny naratra na aina nafoy.

Rabeso

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT