Ambodivonkely Ambohimanarina

> Mpanohana an-dRobinson naratra nodarohan’ny “gros bras”


  • Alarobia 11 Desambra 2013

Tovolahy iray tokony hatao raharaha amin’ny sabotsy ho avy izao no niharan’ny herisetra, nanaovana angaredona teny Ambohimanarina omaly maraina. Efa ny alahady nandritra ny fametahana afisy no efa nanomboka ny lonilony teo amin’ny samy mpanohana kandida eny amin’ny Boriborintany faha-6 eny.

Vantany vao avy napetaka mantsy ny afisy dia tamy ireo avy ao amin’ny antokon’ny fitondrana manala izany. Vokatry ny haratsin’ny toetr’andro ny alatsinainy hariva dia ny omaly talata vao maraina no namerina nametaka afisy ilay tovolahy. Izy teo am-pametahana afisy iny indrindra anefa no norahonan’ireo mpomba ny antokon’ny fitondrana ireo indray ary nompainy tamin’ny reniny sy ny razany araka ny filazan’ilay niharam-boina. Ity farany no tsy zakany amin’ny maha tanindrana azy ka nahatonga azy namaly satria Betsileo ny fiaviany avy amin’ny reniny raha Antandroy kosa ny rainy. Io izy namaly io anefa no nandrasan’iretsy sasany ka lehilahy 2 sy vehivavy 3 no nitambatra namono azy rehefa nitondra azy nahazo toerana malalaka. Vokatr’izany dia vaky noho ny zera biriky ny lohany, voakaikitra kosa ny heliny sy ny sandriny ary voadona mafy ny tratra, sandry ary ny feny. Avy hatrany dia nentin’ireo solontenan’ny kandida anankiroa miara-dia amin’ny Movansy Ravalomanana namonjy toeram-pitsaboana ilay naratra raha nilaza ny hiaraka hidinika izy ireo manoloana izao fikasihan-tanana izao. Tsy vao izao moa ireto mpanohana ny antoko eo amin’ny fitondrana ireto no nihetraketraka tahaka izao fa ny alahady teo dia nanakorontana ny lanonana nataona kandida depiote iray manohana an’ny dokotera Robinson Jean Louis tao Madera ihany koa ny naman’izy ireo ary tratra. Tahotra ny tsy ho lany ve izao sa tahaka izany tokoa no fampanjakana ny demokrasia amin’izy ireo ?

 

 

Nofy R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison FĂ©lix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT