Ambodisaina Ivondro

> Hifanome tanana ny Mainland sy ny Fokonolona


  • Talata 12 Novambra 2013

Nidina ifotony tao amin’ny Fokontany Ambodisaina Ivondro, Toamasina II ny filoha tale jeneralin’ny orinasa Mainland Mining Atoa Georges Lu ny alahady teo.

Manatanteraka fanadihadiana ao an-toerana ity orinasa sinoa ity, amin’ny hitrandrahany fasimainty hataony. Nandritra izany no nisian’ny fanazavana sy namitranan’ny orianasa fihavanana teo amin’ny Fokonolona sy ny Fokonolona samy ao an-toerana ary ny Tangalamena sy ny Mainland, noho ny resaka nandeha fa hotrandrahan’ity orinasa sinoa ity ny fasimainty any an-toerana, ka nampisara-bazana ny Fokonolona satria nisy ireo manaiky ny fitrandrahana ao ireo tsy manaiky. Nisy ny fangatahana nataon’ny Fokonolona ary noraketina an-taratasy dia ny hanatsarana ny tanànany, izay miompana amin’ny fanamboaran-dalana, fananganana sekoly, fanorenana hopitaly, fampidirana rano fosotro madio, fanomezana herinaratra ny tanàna… Ankilan’ireo dia nisy ihany koa ny antontan-taratasy hafa natolotra ny filoha Tale jeneralin’ny Mainland Mining mikasika ireo tanora 85 mirahalahy efa vonona hiasa mandritra ny fotoam-pitrandrahana. Nanamafy Atoa Georges Lu fa “manomboka izao dia tsy maintsy mandray anjara amin’ny asa sosialy sy fampandrosoana ny faritra isian’ny fitrandrahana ataony ny Mainland”.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT