Nisy nanodinkodina ny safidim-bahoaka ! Tsy lavitra fa dia eto Antananarivo renivohitra, teny Ambohidihady Ambohimanarina raha ny marimarina kokoa, no nitrangan’izany.
Re mantsy izao fa dia tsy hita popoka ny voka-pifidianana tamina Birao fandatsaham-bato roa teny an-toerana. Nisy latsa-bato tamin’ireo Birao fandatsaham-bato ireo, nisy fanisam-bato ary nitarika tamin’ny isam-bato mazava ny kandida Dr Robinson Jean Louis. Nisy nitondra ny fitanana an-tsoratra ny vokatra, ary raha ny resaka heno dia nisy nandrovitra ireo fitanana an-tsoratra ireo. Mazava loatra fa sady tsy tonga tany amin’ny SRMV Antananarivo faha-VI no tsy tonga tany amin’ny CENI-T ilay izy. Azo antoka fa tsy ho vitavita mora izao raharaha izao, satria dia ara-bakiteny mihitsy ny fanodinkodinana ny safidim-bahoaka teto, izay faizin’ny lalàna. Mety tsy ho tokana ny tranga toy ity, fa mety misy tany amin’ny faritra tany. Hanao tatitra ny CENI-T anio, ka ho fantatra eo ihany izany.
JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.