Amboasary Atsimo

> Manohana an’ny Dr Robinson ny 95%-n’ireo Ben’ny tanŕna


  • Sabotsy 30 Novambra 2013


Manao ranolava ny filazana fanohanana kandida hofiloham-pirenena amin’ny fifidianana fihodinana faharoa hotontosaina ny 20 desambra ho avy izao. Nilaza ampahibemaso ho ren-tany ho ren-danitra ny 95%-n’ireo Ben’ny tanàna any amin’iny Distrikan’Amboasary Atsimo iny ny alarobia 27 novambra lasa teo fa hanohana ny kandida Dokotera Robinson Jean Louis. Mahatsapa izy ireo fa fotoana hamaliana babena an’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ny fanohanana sy ny fampandaniana an’ny Dokotera Robinson Jean Louis ho amin’ny toeran’ny filoham-pirenena. Maro ny soa azon’ireo Ben’ny tanàna ireo nandritra ny fitondran’ny filoha Ravalomanana, hoy ny solontenan’izy ireo izy ka rariny raha tohanana ny kandida natolony. Efa tafatsangana moa ny vovonana ivondronan’ireo herivelona rehetra an-toerana hampandany ny Dr Robinson. Efa nanao fanambarana fanohanana toy izany koa ireo Ben’ny tanàna 25 amin’ireo 27 ao amin’ny Distrikan’i Tolagnaro.

Natiora OTH

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT