Nitokona nanomboka ny faran’ny herinandro lasa teo ary nitohy omaly ny mpiasa sasany eo anivon’ny orinasa Ambatovy ao Moramanga.
Mitaky ny fanesorana ny tomponandraikitra 2 misahana ny mpiasa, malagasy iray sy vahiny iray ireto mpiasa ireto noho ny “ fanaovana tsindrihazolena sy fanosihosena ny zo maha olona”, araka ny fitarainan’izy ireo.Tsy afa-po amin’ny fandraisana andraikitra nataon’ireto tomponandraikitra ireto tamin’ny nahafatesan’ny mpiasa iray lasan’ny rano vokatry ny fandalovan’ny rivodoza tao Moramanga ireo namany ka manao izao hetsika izao. Bahanan’izy ireo moa ny lalana miditra ny toerana fakana ny tany misy ny akora samihafa toy ny nikela sy kobalta izay alefa amin’ny alalan’ny fantsona mankany Toamasina.
Nilaza ny mpitantana ny orinasa fa “tsy ara-dalàna” ilay fitokonana satria tsy nanaraka ny fepetra sy lalàna manankery tahaka ny fampilazana mialoha ny mpitantana sy ny “Inspection du travail”. Nanomboka ny zoma 09 martsa dia tsy nitsahatra niroso tamin’ny fifampidinihana tamin’ireo andiana mpiasa ireo ny mpitantana an’Ambatovy, na dia “tsy ara-dalàna aza ny fitokonana”. Manamafy Ambatovy fa manaja ny zon’ny mpiasa rehetra haneho ny fitakiany, anisan’izany ny zo fototra hanao fitokonana saingy tokony hifanaraka amin’ny fepetra apetraky ny lalàna Malagasy izany sady manaja ny zo sy ny fahafahan’ny mpiasa hafa hiasa.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.