Actualités

Ambatondrazaka Mirongatra indray ny harom-paosy


  • Talata 05 Jolay 2016

Ireo mpiantsena avy any ambanivohitra no lasibatry ny asa ratsin’ny tontakely.

Efa tambajotra  mihitsy izy ireo rehefa hanao ratsy. Misy ny mijery ny manodidina, ao indray ny manatanteraka ny asa ratsy ary ny sasany mamily lalana ireo mpanenjika ilay mpangarom-paosy raha sendra misy fifanenjahana. Ny faran’ny herinandro teo dia olona roa samy hafa no voarom-paosy tao amin’ny ts’nan'Ambatondrazaka. Avy nivarotra vary izy ireo ary saika hividy entana hoentina mody any an-tanàna kinanjo sendra olon-dratsy. Nisy nahatsikaritra ireto mpanao ratsy ka nanamora ny fisamborana azy ireo. Fantatra fa ny andro alakamisy sy sabotsy no tena mahabe mpangarom-paosy ao amin’ny tsenan’Ambatondrazaka. Mila mametraka paikady vaovao ny mpitandro ny filaminana raha tiana ny hiala amin’ny tsy fandriampahalemana.

                                                                                                 Niry A

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • RAISSA RAZAIVOLA
  • Talata 03 Novambra 2026

Tazonina eny Fiadanana

  • 160 taona
  • Talata 03 Novambra 2026

nisian’ny gazety malagasy

  • Voasambotra noho
  • Talata 03 Novambra 2026

ny afera Kolonely Patrick

  • Diplaomasia,
  • Talata 03 Novambra 2026

fambolena, VISA,...

  • TSARAHONENANA
  • Talata 03 Novambra 2026

BEFANDRIANA

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

Hijery ny tohiny
FTT