Ambatondrazaka

> Hefarana izao tsy nahita fahitalavi-pirenena


  • Alakamisy 06 Febroary 2014

Tsy maharaka ny vaovao miseho eto amin’ny firenentsika intsony ny mponina any Ambatondrazaka. Tapaka nanomboka ny harivan’ny sabotsy 01 febroary teo ny fanarahana ny fahitalavitra TVM any an-toerana.

Tsy mbola misy fahitalavitra tsy miankina anefa any an-drenivohitry ny Faritra Alaotra Mangoro fa raha vao misy fahatapahana ny TVM dia efa mahatsiaro ho tsy maharaka ny zavatra misy marina eto amin’ny firenena sy any ivelany ny mponina. Soa aloha fa misy ny gazety an-tsoratra, saingy tsy tonga ara-potoana ireny ka tsy maharaka ny fiovana misy eo amin’ny fitantanana ny firenena ny vahoaka. Anio izao dia ny onjam-peom-pirenena no hany hahafahan’ny any an-toerana manaraka ny famoahana ny vokatra ofisialy ny fifidianana solombavambahoaka. Hetahetan’ny mponina anefa ny ahitana izany amin’ny fahitalavitra. Tsy mbola nahenoana ny anton’ny fahatapahana ny any Ambatondrazaka hatreto ny tompon’andraikitra. Rafotsibe very laona, araka izany, ny mponina ka miandry izay higadonany.

 

Niry A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT