Nampiasaina nanomboka tamin’ny farany herinandro teo ilay tsena vaovao ao amin’ny Fokontany Ambohimasina. Foana hatreo ny fivarotana amoron-dalana fa dia resy lahatra ny hampiasa ilay tsena naorin-dRavalomanana tamin’ny 2007 ny mpivarotra.
Nambaran’ny Ben’ny tanàna Andriamanirison Jacques fa manomboka izao dia hanana ny tsena mampiavaka azy toy ny eto Iarivo i Ambatondrazaka, ka “Tsena Alarobia” no iantsoana izany. Antsoina hiakatra ao amin’ny tsena vao ao Ambohimasina avokoa ny mpivarotra manodidina ny tanànan’Ambatondrazaka isaky ny alarobia io, hisantarana izany ny anio. Zava-dehibe izao fanapahan-kevitra noraisin’ny fiadidiana ny tanànan’Ambatondrazaka sy ny mpivarotra ao Ambohimasina izao satria mba voasoroka amin’izay ireo loza matetika mitranga ao amin’ny Fokontany. Vita manara-penitra araka ny fiteny malaza amin’izao fotoana raha ny tsena ao Ambohimasina fa noho ny filazan’ny mpivarotra tamin’izany fotoana fa tsy mandeha ny entana no tsy nampiasana azy. Ankehitriny, samy resy lahatra ny rehetra fa sarobidy ny aina ka mila tandrovina, ny mpividy no tokony hanatona ny mpivarotra fa tsy ny mifamadika amin’izany. Hadisoan-kevitra ny nipetrahana teny amoron-dalana hatramin’izay. Fantatra fa hisy famonoan’omby mihitsy atsy ho atsy ho fanamarihana ny fanombohan’ilay tsenan’Alarobia Ambohimasina.
Niry A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.