Actualités

Ambatomaro- Cité «U» Vonona ny hiala ny cité ilay lazaina ho mpanakorontana


  • Alatsinainy 03 Oktobra 2011


 Nitrangana olana teo amin’ny samy mpifanolo-bodirindrina teny amin’ny Cité «U» teny Ambatomaro ny herinandro lasa teo. Nitaky ny hialan’ilay mpianatra iray izay heverina fa ho fototry ny olana ny fikambanana MAFAMI (Antananarivo) misy ny andaniny, izay efa niharan’ny fanesorana tsy nisy hatak’andro tao amin’ny «Cité». Na dia nisy aza ny fifampiresahana izay efa ho in-droa miantoana, dia tsy hita ny marimarimaritra iraisana, fa dia niziriziry tamin’ny fitakiana, dia ny hialan’ilay heveriny ho fototry ny olana ny andaniny.

Tsy mbola niditra tamin’ny fanelanelanana ny fitantanana ny «Cité» eny an-toerana fa samy ny fikambanana ihany io nihaona io, dia ny avy amin’ny MAFAMI sy ny avy any Alaotra. Araka ny vaovao azo, amin’ny alarobia izao vao hisy ny fifampiresahana izay hotarihin’ny tomponandraikitra. Na dia izany aza anefa, araka ny fanambarana nataon’ity mpianatra lazaina ho mpanakorontana ity, mba hisian’ny filaminana eny anivon’ny «cité», dia aleony izy manaiky ny fitakian’ny andaniny, dia ny fialany izany. Vonona izy hiala eny amin’ny «Cité» mba tsy hisian’ny olana.

Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT