Actualités

Ambatolampy Misy mpikaramanady miofana ?


  • Alakamisy 10 Novambra 2011

Nalaza teto an-drenivohitra ny fandraisana anaran’olona na rezervista hiofana teo aloha teo, ary tsy fantatra ny tena tohiny taty aoriana.

 Araka ny loharanom-baovao dia fantatra amin’izao fotoana fa misy ireo olona raisina sy hofanina ao amin’ny manodidina an’Ambatolampy. Eo anelanelan’Ambatondrakalavao sy Tsinjoarivo no misy ny tobin’ireo mpiofana ireo. Voalazan’ny tatitra ihany koa fa am-polony maro ireo mpiofana no ao ary mampiasa fitaovana raitra tokoa toy ny «quad» sy «moto cross». Rehefa misy manontany ny momba ireo olona ireo moa dia lazaina fa kartie mobily no miofana ao mba hiadiana amin’ny tsy fandriampahalemana, araka ny tatitra ihany kanefa mahagaga ny olona ny fitaovana ampiasainy. Marihina fa toerana somary rakotra alan-kesika ity toerana voalaza fa toby fanofanana ity. Hatreto moa dia tsy voamarina ny tena anton’ny fiofanana. Voalaza fotsiny fa manamboninahitra jeneraly am-perinasa sy mpanao politika ambony amin’izao fotoana izao no nandray ireto mpiofana hafahafa ireto araka ny loharanom-baovao ihany.
Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT