Actualités

Ambatolampy Misy mersenera miofana ?


  • Alarobia 19 Oktobra 2011

Ao anaty toerana iray mihidy no miofana isan’andro ireto mersenera an-jatony.

 . Misy amin’ireo ny olon-tsotra sy “gros bras” bokonozatra ary mpitandro ny filaminana. Izay indray no malaza tato ho ato. Rehefa nohadihadiana tsotsotra dia eo anelanelan’i Tsinjoarivo sy Ambatolampy no misy an’izany toerana izany. Inona indray no tanjona ? Raha ny re aloha dia mba hiadiana amin’izay mety ho fiverenan’i Dada no tena anton’ity fanangonana olona omena fiofanana ity.

Tsy mbola tena fantatra kosa ny ao ambadik’izany na dia efa maromaro aza ny feo mandeha fa mpanao politika fanta-daza no mpamatsy vola sy fitaovana. Nohamafisina tato ho ato, raha araka ny tsiliantsofina re hatrany, ny fiofanana manoloana an’ity toe-draharaha politika izay manomboka mitsiky amin’ny ankolafy telo ity. Dia mipetraka ny fanontaniana hoe mbola ny kolontsain’ny herin-tsandry toy izany hatrany ve no hiainana eto amintsika ?

Gaby

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT