Ambasadaoro frantsay

> Namory mangingina solontenam-panjakana tao Antsirabe


  • Talata 19 Novambra 2013


Namory mangingina ireo mpitondra ao Antsirabe sy solontenam-panjakana toy ireo lehiben’ny Distrika ao Vakinankaratra ny ambasadaoro frantsay miasa eto Madagasikara François Goldblatt omaly nanomboka tamin’ny valo ora alina, tao amin’ny hotely “Couleur Café” Tsarasaotra. Fihaonana izay tsy azon’ny mpanao gazety natrehina. Hentitra rahateo ny fidirana ny toerana, satria na mpamily na mpiambina manokana ireo nasainy aza tsy afaka nandingana ny tokonam-baravarana. Nihazo ity toerana ity koa ny komandin’ny Akademia miaramila ao Antsirabe. Nialoha io dia nisy fihaonan’ity diplaomaty ity tamin’ireo teratany frantsay, mpandraharaha tao amin’io toerana io hatrany. Araka ny loharanom-baovao dia efa nisy fihaonana toy izao koa nataony tany amin’iny Faritanin’i Fianarantsoa iny, saingy tsy nisy nipika ny vaovao. Maro ny fanontaniana manitikitika ny maro manodidina itony fihaonana mangingina itony, nefa maha be resaka itony, izay ezahina hampitaina eto ihany amin’ny fotoana ahazoana ny vaovao.

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT