Ambalanirana Tsiroanomandidy

> Mahatsiaro voafitaka ireo sefo Fokontany ka nitokona


  • Alakamisy 14 Novambra 2013


Mahatsiaro tena voafitaka ireo Sefo Fokontany amin’ny Kaominina Ambalanirana Distrikan’i Tsiroanomandidy Faritra Bongolava tamin’ny fampanantenana nataon’ny fitondrana tetezamita fa handoa ny tambin-karaman’izy ireo 18 volana mialoha ny fihodinana voalohan’ny fifidianana ho filoham-pirenena farany teo. Nanapa-kevitra nitokona nanoloana ny biraon’ny Kaominina izy ireo ny sabotsy 09 novambra lasa teo ary namerina avy hatrany ny fitomboky ny Fokontany ho eo am-pelatanan’ny Lehiben’ny Boriborintany Ambalanirana. Mikatso, araka izany, ny fampandehanana ny raharaham-bahoaka andavanandro amin’ny tsy fahazoana ny taratasy karakarain’ireo sefo Fokontany ireo. Mikatso ihany koa ny fikarakarana ny fifidianana fihodinana faharoa ho an’ireo manana olana tamin’ny lisi-pifidianana ka mampanahy ny hahatomombana an-tsakany sy an-davany izany indray.

 

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT