Ambalamanasy Toamasina

> Artane 1,3kg sarona saika haondrana atsy La Réunion


  • Alakamisy 21 Novambra 2013

Mailo amin’ny ataon’ireo vehivavy Malagasy manao trafika Artane any aminy ry zareo ao La Réunion, ka tena misava sy sarotiny amin’ireo mpiondrana fiaramanidina sy sambo mihazo ity nosy ity.

Ny alatsinainy teo dia “Artane” milanja 1,3kg, efa nontsinjaraina tamina plakety miisa 310 no saron’ireo “Police Aérienne” manaraka ny sidin’ny kaompania Air Austral misava ireo mpandeha alohan’ny hidiran’izy ireo ao anaty fiaramanidina. Vehivavy Malagasy voalaza fa monina ao La Réunion saingy mivezivezy matetika eto Madagasikara no nahatrarana an’io. Eo am-pakana am-bavany azy ny borigadin’ny zandary nampisahanina ny raharaha, ary tokony ho niakatra fitsarana omaly ny raharaha nefa toa tsy mbola tonga eny anivon’ny fitsarana hatramin’ny nanoratana ny vaovao. Ny mahagaga amin’ity raharaha ity dia samy tsy nisy nahita ilay Artane avokoa na ireo mpitandro ny filaminana Malagasy misahana fiarovana ny sisintany na ireo mpiasan’ny fadintseranana misava sy manara-maso ny entana nefa dia tsy maintsy mandalo fitiliana manokana sy fisavana avokoa ny entana entin-tanana mivoaka ny sisin-tany Malagasy. Ireo polisy frantsay mpanara-dia ny sidin’ny Air Austral misava farany ireo mpandeha alohan’ny hidirana ny fiaramanidina no nahatratra azy tao anaty “sac a main” an’ity vehivavy Malagasy ity. Ankoatra izay, dia efa hentitrentitra ny fanaraha-maso sy ny fisavana eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ka manomboka mifindra seranam-piaramanidina misy ny zotra Madagasikara La Reunion indray ireo mpanao trafika Artane ity. Vola be rahateo no vidin’ity fanafody ataon’olona solona rongony ity ao amin’ny nosy La Réunion satria mety hahatratra 07 euros ny voam-panafody iray amin’ireo tena mila azy.

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT